Filazantsara araka an'i Lioka 21:16
Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 21
Cross References
Jeremiah 9:4Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin’ ny fanaovan-dratsy.
Micah 7:5Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.
Mark 13:12Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
Acts 7:59Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
Acts 26:10sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masìna no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
Revelation 6:9Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.