Apokalypsin'i Jaona 6:9
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 6
Cross References
John 16:2Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.
Philippians 1:23fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany;
2 Timothy 1:8Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra,
Revelation 1:2Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
Revelation 2:13Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana.
Revelation 9:13Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin’ ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan’ Andriamanitra aho,