Filazantsara araka an'i Lioka 21:34
Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
35Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 21
Cross References
Genesis 27:14Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin’ ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian’ ny rainy.
Deuteronomy 29:19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.
Psalms 35:8Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy.
Isaiah 28:1Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Isaiah 56:10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Matthew 13:22Ary ilay nafafy teny amin’ ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.