Filazantsara araka an'i Lioka 22:61
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
62Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 22
Cross References
Job 33:27Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
Jeremiah 31:18Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
Ezekiel 36:31Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
Matthew 26:34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
Mark 5:30Ary niaraka tamin’ izay dia fantatr’ i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
Luke 10:41Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;