Filazantsara araka an'i Lioka 6:49
Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’ izay izy; ary loza ny naharavan’ izany trano izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
Jeremiah 44:16Raha ny amin’ ilay teny voalazanao taminay tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
Hosea 4:14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
Matthew 13:20Fa ilay nafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ ny hafaliana;
Matthew 23:3koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
Mark 4:17nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.
Luke 8:5Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin’ ny voro-manidina.