Bokin'i Malakia 2:5
Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ ny anarako izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 32:26dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
Numbers 8:15Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
Numbers 18:8Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
Deuteronomy 33:8Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,
Psalms 106:30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Ezekiel 34:25Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.