The Bible Software
bible.software › Bokin'i Malakia › Bokin'i Malakia 2 › Bokin'i Malakia 2:7

Bokin'i Malakia 2:7

Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For the priest’s lips should keep knowledge, and they should seek the law at his mouth: for he is the messenger of the LORD of hosts.

In Context

6Ny lalàn’ ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ ny molony; tamin’ ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ ny heloka.

8Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’ i Levy, hoy Jehovah; Tompon’ ny maro.

Read all of Bokin'i Malakia 2

Cross References

Numbers 27:21Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.

Deuteronomy 21:5Ary ireo mpisorona, taranak’ i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anaran’ i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;

2 Kings 16:11Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.

2 Chronicles 17:8Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’ i Elisama sy Jorama, mpisorona.

2 Chronicles 30:22Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

Nehemiah 8:2Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Malakia 2:7

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Malakia 2:6Bokin'i Malakia 2Bokin'i Malakia 2:8 →