Filazantsara araka an'i Marka 1:15
ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 1
Cross References
Daniel 9:25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.
Matthew 4:17Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 21:31Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke 10:11Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Acts 2:36Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
Romans 16:26fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,