Filazantsara araka an'i Marka 1:40
Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 1
Cross References
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Numbers 12:10Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy.
2 Samuel 3:29Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
2 Kings 7:3Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan’ ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
2 Chronicles 6:13fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’ io izy ka nandohalika teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
Matthew 11:5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.