Mark 12:18
Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then come unto him the Sadducees, which say there is no resurrection; and they asked him, saying,
In Context
Cross References
Luke 20:27Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
Acts 23:6Ary rehefa fantatr’ i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ ny fanantenana sy ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy.
2 Timothy 2:18izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany.