Mark 12:17
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 23:26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
Ecclesiastes 5:4Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
Matthew 17:25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?
Matthew 22:33Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ ny fampianarany.
Mark 12:30koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
Romans 6:13ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ ny ota ho fiadian’ ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’ Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra.