Filazantsara araka an'i Marka 12:2
Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 12
Cross References
2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
Ezra 9:11dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
Jeremiah 25:4Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
Jeremiah 44:4Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.
Zechariah 1:3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Matthew 21:34Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra.