Filazantsara araka an'i Marka 12:24
Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna sy ny herin’ Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 12
Cross References
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Isaiah 25:8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
Jeremiah 8:7Na dia ny vano eny amin’ ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’ androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’ i Jehovah.
Ezekiel 37:1Tao amiko ny tànan’ i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’ i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ ny lohasaha feno taolana aho.
Hosea 6:2Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
Hosea 8:12Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.