Filazantsara araka an'i Marka 15:46
Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
45Ary rehefa nahare tamin’ ny kapiteny izy, dia nomeny an’ i Josefa ny faty.
47Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 15
Cross References
Isaiah 53:9Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Matthew 28:2Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
Luke 23:53Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
John 19:38Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr’ i Jesosy izy, nefa tamin’ ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’ i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’ i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’ i Jesosy.