Filazantsara araka an'i Marka 16:1
Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 16
Cross References
2 Chronicles 16:14Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
Mark 14:3Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ ny lohan’ i Jesosy ny menaka.
Mark 15:40Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy,
Mark 15:47Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
Mark 16:8Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin’ ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’ olona izy, satria natahotra.
Luke 23:56Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.