Filazantsara araka an'i Marka 16:19
Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 16
Cross References
Psalms 110:1Salamo nataon’ i Davida. Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Luke 9:51Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an’ i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
John 6:62Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.
John 16:28Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.
John 17:13Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’ izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
John 21:15Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.