Filazantsara araka an'i Marka 2:16
Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 2
Cross References
Isaiah 65:5Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masìna, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
Matthew 18:17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
Luke 15:2Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.
Luke 19:7Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’ izay lehilahy mpanota Izy.
Acts 23:9Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan’ ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok’ io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
Hebrews 12:3Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.