Filazantsara araka an'i Marka 2:17
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 2
Cross References
Isaiah 55:7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Matthew 18:10Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Luke 15:7Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
Luke 15:29Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako;
Luke 19:10Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.
John 9:40Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?