Filazantsara araka an'i Marka 3:22
Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’ i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 3
Cross References
Matthew 9:34Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
Matthew 11:18Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
Matthew 15:1Dia nankeo amin’ i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
Luke 5:17Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
John 7:20Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
John 8:52Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.