Filazantsara araka an'i Marka 4:28
Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’ izay, fa efa tonga ny fararano.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 4
Cross References
Genesis 1:11Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.
Genesis 2:9Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Psalms 1:3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Ecclesiastes 3:11Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ ny olona ny asan’ Andriamanitra hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany.
Hosea 6:3Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.