Bokin'ny Salamo 1:3
Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.
4Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.
Cross References
Genesis 39:23Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’ i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’ i Jehovah.
Deuteronomy 28:8Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
2 Kings 18:7Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin’ izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria izy ka tsy nanompo azy.
1 Chronicles 22:13Ary amin’ izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
2 Chronicles 32:23Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; dia nalaza teo imason’ ny firenena rehetra izy hatramin’ izany.
Job 22:28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.