Filazantsara araka an'i Marka 5:40
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ izay olona teo aminy ka niditra tao amin’ izay nisy an-drazazavavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 5
Cross References
Genesis 19:14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
Nehemiah 2:19Fa nony ren’ i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ ny mpanjaka angaha ianareo?
Psalms 22:7Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
Matthew 7:6Aza omena ny alika izay masìna; ary aza atsipy eo anoloan’ ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
Luke 8:53Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
Acts 17:32Ary raha nahare ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’ izany zavatra izany.