Filazantsara araka an'i Marka 6:15
Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin’ ny mpaminany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Others said, That it is Elias. And others said, That it is a prophet, or as one of the prophets.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 6
Cross References
Matthew 16:14Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany.
Matthew 21:11Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
Mark 9:12Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ ny Zanak’ olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
Luke 1:17Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.
Luke 7:39Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
Luke 9:19Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.