Filazantsara araka an'i Marka 7:2
ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 7
Cross References
Daniel 6:4Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ ny fanjakana rehetra.
Matthew 23:23Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Acts 10:28Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
Romans 14:14Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.