Filazantsara araka an'i Marka 9:1
Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra tonga amin’ ny hery.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Matthew 24:30Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy.
Mark 13:26Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.
Luke 2:26Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.
Luke 22:18fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
John 8:51Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
Acts 1:6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’ izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ ny Isiraely?