Filazantsara araka an'i Marka 9:35
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’ izy rehetra sy ho mpanompo’ izy rehetra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
34Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin’ izay lehibe indrindra.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Jeremiah 45:5Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.
Matthew 23:11Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
Luke 14:10Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
Luke 22:26Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.