Filazantsara araka an'i Matio 14:13
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy.
14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 14
Cross References
Matthew 12:15Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
Matthew 15:32Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
Luke 9:10Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin’ i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin’ ny tanàna atao hoe Betsaida.