Filazantsara araka an'i Matio 2:5
Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’ i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they said unto him, In Bethlehem of Judaea: for thus it is written by the prophet,
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 2
Cross References
Joshua 19:15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
Ruth 1:1Ary tamin’ ny andro nitsaran’ ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny zanany roa lahy;
Ruth 2:4Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin’ ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
1 Samuel 16:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho.