Filazantsara araka an'i Matio 20:21
Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 20
Cross References
1 Kings 3:5Tao Gibeona no nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Solomona tamin’ ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
Psalms 45:9Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Jeremiah 45:5Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
Mark 6:22ka niditra ny zanakavavin’ i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an’ i Heroda mbamin’ izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
Mark 10:51Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.