Filazantsara araka an'i Matio 21:15
Fa nony hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! ― dia tezitra izy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 21
Cross References
Isaiah 26:11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Matthew 21:9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
Matthew 22:42Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.
Matthew 26:59Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;
Matthew 27:20Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.
Luke 19:39Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.