Filazantsara araka an'i Matio 26:13
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
Psalms 112:6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
Matthew 24:14Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
Mark 13:10Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
Mark 16:15Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.
Romans 10:18Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ ny faran’ izao rehetra izao.