Filazantsara araka an'i Matio 4:21
Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
22Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
Matthew 10:2Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
Matthew 20:20Ary tamin’ izany dia nanatona an’ i Jesosy ny renin’ ny zanak’ i Zebedio mbamin’ ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
Mark 1:19Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
Mark 5:37Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’ i Jakoba.
John 21:2Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’ i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.