Bokin'i Mika 5:13
Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
Cross References
Isaiah 2:8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Isaiah 27:9Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Ezekiel 16:41Ary hodorany amin’ ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason’ ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
Ezekiel 37:23Ary tsy handoto tena amin’ ny sampiny, na amin’ ny fahavetavetany, na amin’ ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin’ ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Hosea 14:3Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
Zechariah 13:2Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.