Bokin'i Nehemia 12:27
Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 12
Cross References
Deuteronomy 20:5Dia hiteny amin’ ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
1 Chronicles 13:8Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
1 Chronicles 15:12ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.
1 Chronicles 15:28Toy izany no nampakaran’ ny Isiraely rehetra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tamin’ ny fihobiana sy ny feon’ ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin’ ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
1 Chronicles 16:42Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy: