Boky faharoan'ny Tantara 13:8
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 13
Cross References
2 Samuel 6:5Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
1 Chronicles 15:10tamin’ ny taranak’ i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin’ ny folo amby zato.
1 Chronicles 15:19Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
1 Chronicles 16:5Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
1 Chronicles 23:5ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.
2 Chronicles 20:28Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.