Nehemiah 13:21
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’ izany andro izany dia tsy tonga tamin’ ny Sabata intsony izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 7:26Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan’ Andriamanitrao sy ny lalàn’ ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
Nehemiah 13:15Ary tamin’ izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin’ ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ ny andro nivarotany hanina.
1 Peter 2:14na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.