The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 3 › Bokin'i Nehemia 3:15

Bokin'i Nehemia 3:15

Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

But the gate of the fountain repaired Shallun the son of Col-hozeh, the ruler of part of Mizpah; he built it, and covered it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof, and the wall of the pool of Siloah by the king’s garden, and unto the stairs that go down from the city of David.

In Context

14Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.

16Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.

Read all of Bokin'i Nehemia 3

Cross References

Judges 20:1Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.

2 Samuel 5:6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.

2 Samuel 5:9Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.

2 Chronicles 32:30Ary notampenan’ io Hezekia io ny fivoahan’ ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ ny Tanànan’ i Davida izany. Ary nambinina tamin’ ny asany rehetra Hezekia.

Nehemiah 3:7Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.

Nehemiah 3:12Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 3:15

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 3:14Bokin'i Nehemia 3Bokin'i Nehemia 3:16 →