Bokin'ny Nomery 21:26
Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 21
Cross References
Deuteronomy 1:4rehefa namono an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
Joshua 13:17dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin’ ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
Joshua 21:39ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
Jeremiah 48:2Tsy misy ho reharehan’ i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
Jeremiah 48:45Ao amin’ ny alokalok’ i Hesbona no ijanonan’ ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin’ i Moaba sy ny tampon-dohan’ ny mpitabataba.