Bokin'ny Nomery 21:29
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 21
Cross References
Judges 11:24Moa tsy hotananao izay tany omen’ i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen’ i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
1 Kings 11:33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
Isaiah 15:5Ny foko mitaraina noho ny amin’ i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin’ ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
Jeremiah 48:7Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
Jeremiah 48:45Ao amin’ ny alokalok’ i Hesbona no ijanonan’ ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin’ i Moaba sy ny tampon-dohan’ ny mpitabataba.
1 Corinthians 8:4Ary ny amin’ ny mihinana ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’ izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.