Bokin'ny Nomery 21:7
Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 21
Cross References
Genesis 20:7Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.
Exodus 8:8Ary Mosesy sy Arona niala teo amin’ i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ny amin’ ny sahona izay efa nataony tamin’ i Farao.
Exodus 9:27Dia naniraka Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’ izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
Exodus 10:17Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
Exodus 32:30Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin’ i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ ny fahotanareo.
Numbers 14:17Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben’ ny herin’ ny Tompo, araka ilay teninao hoe: