Bokin'ny Nomery 29:13
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 29
Cross References
Leviticus 1:3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
Numbers 28:19fa izao no atero ho fanatitra atao amin’ ny afo, dia fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).
Numbers 29:2Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Ezra 3:4Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin’ ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin’ ny fanatitra dorana isan’ andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan’ andro avy.
Hebrews 10:12fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,