bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 9 › Bokin'ny Nomery 9:21
Bokin'ny Nomery 9:21
Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And so it was, when the cloud abode from even unto the morning, and that the cloud was taken up in the morning, then they journeyed: whether it was by day or by night that the cloud was taken up, they journeyed.
In Context
20Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely; araka ny didin’ i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany.
22Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
Read all of Bokin'ny Nomery 9
Cross References
Nehemiah 9:19kanefa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Nomery 9:21