Proverbs 15:8
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
Cross References
1 Kings 3:10Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan’ i Solomona izany zavatra izany;
Psalms 17:1Fivavak’ i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka.
Proverbs 15:29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
Proverbs 28:9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Song of Solomon 2:14E, ry voromailalako ao amin’ ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ ny fialokalofana amin’ ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
Isaiah 1:11Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.