Proverbs 16:21
Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The wise in heart shall be called prudent: and the sweetness of the lips increaseth learning.
In Context
20Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra.
Cross References
Psalms 45:2Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako.
Proverbs 10:13Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.
Proverbs 15:7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
Proverbs 23:15Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
Ecclesiastes 12:10Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ ny fahamarinana.
Luke 4:22Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’ i Josefa va Ity?