Bokin'ny Ohabolana 17:14
Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 17
Cross References
Genesis 13:8Ary hoy Abrama tamin’ i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
Judges 12:1Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao.
2 Samuel 2:17Ary mafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary dia resy teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida Abnera sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
2 Chronicles 10:14ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
2 Chronicles 25:17Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Proverbs 13:10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.