Bokin'ny Ohabolana 13:10
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Only by pride cometh contention: but with the well advised is wisdom.
In Context
9Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.
11Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 13
Cross References
Judges 8:1Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Efraima tamin’ i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
1 Kings 12:10Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;
2 Kings 14:10Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Proverbs 17:14Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
Proverbs 20:18Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
Proverbs 25:8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao.