Proverbs 18:22
Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whoso findeth a wife findeth a good thing, and obtaineth favour of the LORD.
In Context
21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
23Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
Cross References
Genesis 2:18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
Genesis 29:20Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
Ruth 4:10Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ ny maty eo amin’ ny rahalahiny sy eo amin’ ny vavahadin’ ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
Proverbs 5:15Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao.
Proverbs 12:4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
Proverbs 31:10Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.