Bokin'ny Ohabolana 22:11
Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He that loveth pureness of heart, for the grace of his lips the king shall be his friend.
In Context
10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
12Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 22
Cross References
Genesis 41:39Ary hoy koa Farao tamin’ i Josefa: Satria efa nampahafantarin’ Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
Ezra 7:6io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
Esther 10:3Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.
Psalms 101:6Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy.
Proverbs 16:13Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
Daniel 3:30Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin’ i Babylona sy ny fehiny.