Bokin'ny Ohabolana 22:6
Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Train up a child in the way he should go: and when he is old, he will not depart from it.
In Context
5Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 22
Cross References
Deuteronomy 4:9Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Judges 13:12Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
1 Samuel 2:26Ary Samoela zaza nitombo, sady tian’ i Jehovah sy ny olona koa izy.
Psalms 78:3Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika,
2 Timothy 3:15fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masìna, izay mampahahendry anao ho amin’ ny famonjena amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.