Bokin'ny Ohabolana 26:24
Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He that hateth dissembleth with his lips, and layeth up deceit within him;
In Context
23Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
25Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 26
Cross References
Genesis 34:13Ary ny zanak’ i Jakoba namaly an’ i Sekema sy Hamora rainy tamin’ ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an’ i Dina anabaviny;
2 Samuel 13:26Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
2 Samuel 20:9Ary hoy Joaba tamin’ i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’ i Joaba tamin’ ny tànany ankavanana ny somotr’ i Amasa horohany.
Psalms 12:3Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
Psalms 41:6Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
Proverbs 11:1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.